Resaky ny moana sy marenina...

Posted by mahefad on 23 Aprily, 2009 09:50

Nanaitra ny mason'ny mpitazana rehetra ny fivoaran'ny toe-draharaha tampoka tamin'ny alatsinainy 20 avril teo iny, ary dia samy namoaka ny heviny daholo indray na ny malagasy na ny avy any ivelany. Ny mpampita vaovao iraisam-pirenena moa dia mahavariana fa rehefa tsy misy korontana sy maty izany dia tsy mahazo sehatra intsony ny malagasy. 

Hita mivoitra avy amin'ireny fanehoan-kevitra rehetra ireny ary fa  tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana ihany no ahafahana mivoaka amin'izao toe-draharaha sarotra izao,a ry koa ny fanaovana fifidiana faran'izay haingana. 

Ireto avy amin'ny fikambanambe iraisam-pirenena  moa toa manalasala be ihany, fa tsy fantatra mazava izay tena heviny fa  toa tsy izay  lazainy ampahibemaso no ataony any ambadika . Izay tokoa angamba ilay hoe diplomasia. Mody milaza fa tsy miditra mivantana amin'ny raharaha-tokantranon'ny Malagasy fa mamporisika amin'ny fifampidinihana fotsiny.

Toa mbola mifanalavitra toy ny atsimo sy avaratra aloha raha ny hevitry ny roa tonta hatramin'izao : ny andaniny milaza fa tsy manaiky raha tsy miverina aloha ny dadany, nefa  milaza izy fa mbola tsy afaka hody ato ho ato akory . Ny ankilany indray mbola variana mametraka ny olony etsy sy eroa, manantena haka tsirony amin'ny fananana fahefana aloha, nefa teren-drizareo vahiny hatao alohan'ny faran'ny taona sahady ny fifidianana hiverenana amin'ny ara-dalàna.

Dia hifanaritaka toy adin-drenikisoa izy ity araka ny fitenenana fa efa miala any koa rizareo voailika rehetra teo aloha tamin'ny 2002, mba hitady ny anjara-masoandro ho azy koa !

Toy ny resaky ny moana sy marenina izany aloha hatramin'izao ka tsy mifankahazo fa samy miezaka manandratra ny azy.  

Samia velon'aina indray hahita izay ho tohin'ny tantara  !

 

 

Inona indray no hitranga ?

Posted by mahefad on 20 Aprily, 2009 10:21

Alatsinainy maraina izao anoratako izao. Manomboka indray ity ny herinandro vaovao.

Dia manontany an'eritreritra hoe inona indray no hitranga ?

Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zava-nisy tamin'ny herinandro lasa iny, dia azo lazaina ho tsy nahomby aloha hatreto ny tetiky  mpanohana ny "ara-dalàna", satria efa fantampantatra ihany fa tsy mbola ho tafaverina aloha i "Dada" raha izao toe-javatra misy izao. Etsy andaniny koa norobain'ny "miaramila" indray ny fitaovana fampitam-baovaon-drizareo. Tsy asiako resaka aloha ny momba an'ingahy Praiministra vao notendrena fa dia ho hita eo izay hafitsony...

Asa indray rizareo raha mbola hahita tetika vaovao tsy hahafaty ny hafanam-pon'ny mpitolona ?

Ny ao amin'ny HAT indray moa tsy iadian-kevitra loatra fa rizareo aloha no mitondra ny baolina hatramin'izao ka dia miezaka manao izay saim-pantany izy na ho any na tsy ho any !

Dia tena miaiky aloha aho fa dia misy tokoa ny "fanatique" amin'ny fadraisana anjara amin'ny tolona e ! na ny andaniny izany na ny ankilany.

Ny zavatra hita koa anefa etsy andanin'izany dia ahitana lafiny roa foana ny fihetsiketsehana politika toy izao : Misy ny fihetsiketsehana ankianja hamoriana vahoaka, dia tsy maintsy manao izay hanafanana izany ny mpitarika amin'ny fiteny mirehadrehaka sy mandevilevy ny mpifanandrina amin'ny tena. Fa ao ambadika koa dia misy hatrany ny fifampidinihana sy ny resaka an-dalantsara. 

Dia ho hita eo indray ny tohin'ny tantara fa dia mirary herinandro feno fahazotoana ho antsika rehetra !

Masolavitra  

Manakory aby !

Posted by mahefad on 18 Aprily, 2009 23:05

Tsy andry ery izay hanokafana ny "ordinateur" raha vao tonga ato an-trano hanarahana ny fivoaran'ny toe-draharaha. Soa ihany aza aloha fa tsy mbola azo ijerena internet ny any am-piasana fa angamba dia ho lasa vita kitoatoa ny asa ka hanahirana.

Mihazakazaka tokoa ny fandrosoana, fa tsy mihetsika eto dia afaka mamaky, mihaino ary mahita ny zavamisy rehetra na ny tsara na ny ratsy eran'izao tontolo izao. Ary ny mandany fotoana betsaka indrindra aloha mazava loatra dia ny vaovaon'i Madagasikara. Dia lasa eo indraindray ny fihetseham-po toy ny hafaliana sy ny alahelo na hatezerana...Mba te-hamoaka hevitra koa na tsy dia mahay mamelabelatra loatra aza.

Ny olona rehetra dia samy manana ny firehan-keviny daholo, nefa tsy tokony atao ifandranitana akory izany, fa lalanam-piainana.

Mba jerijereo ny tananantsika...

Posted by mahefad on 18 Aprily, 2009 15:27

Ity no lahatsoratra voalohany ato amin'ny blaogiko.

Tsy mbola hofafako aloha satria avy eto aho no miditra ao amin'ny   Toeran'ny mpandrindra 

Misaotra ny mpikarakara ny blaogy.com sy ny serasera manome sehatra ahafahana manoratsoratra.

Tsy dia manatalenta amin'ny fanoratana  fa manandrakandrana fotsiny.

«Mialoha   1 2

Welcome to Masolavitra...

mahefad

Nampidirina farany

Tahiry

Fahana RSS