Iza no nandresy ?

Posted by mahefad on 08 Novambra, 2009 23:51

Dia vita iny izany ny fifanarahana tamin'ny fizaran-tseza tany Addis-Abbeba !

Samy poritra amin'izay naha-poritra avy azy tany avokoa moa ka dia nifanaiky hihorirandrirana ihany ny farany, na dia samy nandrahona tsy hilefitra aza teo aloha.

Hahazo toerana hihinanana daholo aloha izany ny mpanao politika satria toa misy an-jatony maromaro no hozaraina fa ny habehany no tsy mitovy ! Fa ny tena fiantraikany any amin'ny fiainan'ny vahoaka andavanandro no asa ?

Mahatsikaiky fa dia samy mbola tsy maty am-bavany ihany na ny andaniny na ny ankilany, fa samy mandrirotra ny heviny ny amin'ireto mpitantana telo : ny atsy milaza fa ilaikely no tena lohany fa ny roa mpanaraka fotsiny noho izany dia nandresy ihany rizareo, ny ao ankilany indray milaza fa mitovy marindrano ny fahefan'izy telo lahy...

Raha ny fahitako azy manokana aloha, dia tapidalan-kaleha ireo mpanongam-panjakana matoa voatery nifanaraka tamin'ny ankolafy telo hafa, satria tsy nahazaka irery ny fitondrana intsony. Hay moa rizareo aza manjary niaky fa hay nisy krizy ihany teto amin'ny firenena ka tsy maintsy vahana amin'ny fifanarahana,fa tsy hoe nandroso haingana sy nandry fehizay rehefa voaongana ilay "mpanao jadona" !. Izao ny hena tokon'ny nohanin'olondrery manjary zaraina efatra, ny namana mpiara-mitolona voatery nailika lasa nitsangana ho fahavalo...

Hafa ihany ho'aho ny gasy e ! hafa amin'ny inona anefa ? 

Samia ho ela velona indray hitsakotsako ny tohin'ny tantara ! 

 

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.