Inona indray no hitranga ?
Alatsinainy maraina izao anoratako izao. Manomboka indray ity ny herinandro vaovao.
Dia manontany an'eritreritra hoe inona indray no hitranga ?
Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zava-nisy tamin'ny herinandro lasa iny, dia azo lazaina ho tsy nahomby aloha hatreto ny tetiky mpanohana ny "ara-dalàna", satria efa fantampantatra ihany fa tsy mbola ho tafaverina aloha i "Dada" raha izao toe-javatra misy izao. Etsy andaniny koa norobain'ny "miaramila" indray ny fitaovana fampitam-baovaon-drizareo. Tsy asiako resaka aloha ny momba an'ingahy Praiministra vao notendrena fa dia ho hita eo izay hafitsony...
Asa indray rizareo raha mbola hahita tetika vaovao tsy hahafaty ny hafanam-pon'ny mpitolona ?
Ny ao amin'ny HAT indray moa tsy iadian-kevitra loatra fa rizareo aloha no mitondra ny baolina hatramin'izao ka dia miezaka manao izay saim-pantany izy na ho any na tsy ho any !
Dia tena miaiky aloha aho fa dia misy tokoa ny "fanatique" amin'ny fadraisana anjara amin'ny tolona e ! na ny andaniny izany na ny ankilany.
Ny zavatra hita koa anefa etsy andanin'izany dia ahitana lafiny roa foana ny fihetsiketsehana politika toy izao : Misy ny fihetsiketsehana ankianja hamoriana vahoaka, dia tsy maintsy manao izay hanafanana izany ny mpitarika amin'ny fiteny mirehadrehaka sy mandevilevy ny mpifanandrina amin'ny tena. Fa ao ambadika koa dia misy hatrany ny fifampidinihana sy ny resaka an-dalantsara.
Dia ho hita eo indray ny tohin'ny tantara fa dia mirary herinandro feno fahazotoana ho antsika rehetra !
Masolavitra
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.