Resaky ny moana sy marenina...

Posted by mahefad on 23 Aprily, 2009 09:50

Nanaitra ny mason'ny mpitazana rehetra ny fivoaran'ny toe-draharaha tampoka tamin'ny alatsinainy 20 avril teo iny, ary dia samy namoaka ny heviny daholo indray na ny malagasy na ny avy any ivelany. Ny mpampita vaovao iraisam-pirenena moa dia mahavariana fa rehefa tsy misy korontana sy maty izany dia tsy mahazo sehatra intsony ny malagasy. 

Hita mivoitra avy amin'ireny fanehoan-kevitra rehetra ireny ary fa  tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana ihany no ahafahana mivoaka amin'izao toe-draharaha sarotra izao,a ry koa ny fanaovana fifidiana faran'izay haingana. 

Ireto avy amin'ny fikambanambe iraisam-pirenena  moa toa manalasala be ihany, fa tsy fantatra mazava izay tena heviny fa  toa tsy izay  lazainy ampahibemaso no ataony any ambadika . Izay tokoa angamba ilay hoe diplomasia. Mody milaza fa tsy miditra mivantana amin'ny raharaha-tokantranon'ny Malagasy fa mamporisika amin'ny fifampidinihana fotsiny.

Toa mbola mifanalavitra toy ny atsimo sy avaratra aloha raha ny hevitry ny roa tonta hatramin'izao : ny andaniny milaza fa tsy manaiky raha tsy miverina aloha ny dadany, nefa  milaza izy fa mbola tsy afaka hody ato ho ato akory . Ny ankilany indray mbola variana mametraka ny olony etsy sy eroa, manantena haka tsirony amin'ny fananana fahefana aloha, nefa teren-drizareo vahiny hatao alohan'ny faran'ny taona sahady ny fifidianana hiverenana amin'ny ara-dalàna.

Dia hifanaritaka toy adin-drenikisoa izy ity araka ny fitenenana fa efa miala any koa rizareo voailika rehetra teo aloha tamin'ny 2002, mba hitady ny anjara-masoandro ho azy koa !

Toy ny resaky ny moana sy marenina izany aloha hatramin'izao ka tsy mifankahazo fa samy miezaka manandratra ny azy.  

Samia velon'aina indray hahita izay ho tohin'ny tantara  !

 

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.