Izaho koa mety hilatsaka !
O ray olona ô ! Ho aiza marina isika ity ?! Mampanontany tena ny habetsak'ireto olona milaza hilatsaka ho filoham-pirenena malagasy !
Izay iray alehany :
- Na izy tena tia tanindrazana, ary manana fahalalana ampy sy tetik'asa ho entina mampandroso tokoa an'i Madagasikara, sady fantatry ny eran'ny nosy no manam-bola be hanaovana fampielezan-kevitra,
- Na entin'ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena, atosiky ny namana te hiara-misôsy, dia mba manandrana sao sitrany ahay ! Satria iaraha-mahita fa any amin'ny tany mahantra dia anisan'ny fomba haingana indrindra hanangonan-karena ny fakana seza politika !
Hoy ilay fiteny taloha izay hoe "Tsy haiko aloha f'izaho vahiny!", fa dia aleo ny tantara no hitsara. Mbola manana fotoana kely handinihana sy hitadiavana mpanohana aho hatramin'ny 28 avril, fa aza gaga ianareo raha milatsaka eo koa ny tenanay !
"Ko iaho ve lehiroa ... ry zalahy irony aza letsy..."
Tableau de Bord pour 2010 en 40 points
1. Buvez beaucoup d'eau.
2. Prenez le petit déjeuner comme un roi, le déjeuner comme un prince et le souper comme un mendiant..
3. Mangez plus d'aliments d’origine végétale et moins d'aliments fabriqués dans des usines ou avec de la graisse.
4. Vivez avec les 3 E - l'énergie, l'enthousiasme et l'empathie.
5. Prenez le temps de pratiquer la méditation et la prière.
6. Jouez à plusieurs jeux sains.
7. Lisez plus de livres que vous ne l’avez fait en 2009.
8. Isolez-vous dans le silence pendant au moins 10 minutes chaque jour pour faire votre autocritique.
9. Dormez un minimum de 7 heures.
10. Pratiquez 10 à 30 minutes de marche chaque jour. Et pendant que vous marchez, souriez.
Personnalité:
11. Ne comparez pas votre vie à celle des autres. Vous n'avez aucune idée de ce qu’est la leur.
12.. N’ayez pas des pensées ou des choses que vous ne pouvez contrôler. Mieux vaut investir votre énergie dans le moment présent.
13. N’en faites pas trop. Observez vos limites.
14.. Ne vous prenez pas trop au sérieux. Personne d'autre ne le fait.
15. Ne perdez pas votre précieuse énergie à des potins.
16. Rêvez encore plus pendant que vous êtes éveillé.
17. L’envie est un gaspillage de temps. Vous avez déjà tout ce qu'il vous faut.
18. Oubliez vos déceptions du passé et ne rappelez point à votre partenaire ses erreurs du passé. Cela ruinera votre bonheur.
19. La vie est trop courte pour perdre son temps à haïr quelqu'un. Ne haïssez pas.
20. Faites la paix avec votre passé afin de ne pas gâcher le présent.
21. Personne n'est responsable de votre bonheur, sauf vous même.
22.. Sachez que la vie est une école et vous êtes ici bas pour apprendre. Les problèmes font tout simplement partie du programme qui apparaît et s'efface comme l'algèbre de classe, mais les leçons que vous apprenez dureront toute une vie.
23. Souriez et faites rire les autres.
24. Vous n'avez pas à gagner à chaque argument. D'accord, pas d'accord.
Société:
25. Appelez votre famille souvent et vos amis.
26. Chaque jour, faites quelque chose de bon aux autres.
27. Pardonnez tout à tout le monde.
28. Passez un peu de votre temps avec des personnes de plus de 70 ans et celles de moins de 6 ans et vous apprendrez beaucoup.
29. Essayez de faire sourire au moins trois personnes chaque jour.
30. Ce que les autres pensent de vous n'est pas de votre ressort.
31. Votre travail ne prend jamais soin de vous lorsque vous tombez malade, mais plutôt vos proches et vos amis. Ne perdez donc pas leur contact.
La vie :
32. Faites le bon choix en vous remettant à Dieu.
33. Débarrassez-vous de tout ce qui n'est pas utile, beau, joyeux.
34. DIEU guérit tout.
35. Que votre situation soit mauvaise ou pire, dites vous bien que cela va changer..
36. Peu importe comment vous vous sentez, le fait de se lever et de s'habiller démontre que vous êtes bien vivant.
37. Le meilleur est encore à venir.
38. Lorsque vous vous réveillez le matin, rendez grâce à Dieu pour cela.
39. Ayez toujours la paix intérieure. Ainsi, vous serez heureux.
Dernier point et non le moindre:
40. S'il vous plaît, faites passer ce message à ceux que vous aimez et qui comptent pour vous. Même à moi si j'en fais partie
Iza no nandresy ?
Dia vita iny izany ny fifanarahana tamin'ny fizaran-tseza tany Addis-Abbeba !
Samy poritra amin'izay naha-poritra avy azy tany avokoa moa ka dia nifanaiky hihorirandrirana ihany ny farany, na dia samy nandrahona tsy hilefitra aza teo aloha.
Hahazo toerana hihinanana daholo aloha izany ny mpanao politika satria toa misy an-jatony maromaro no hozaraina fa ny habehany no tsy mitovy ! Fa ny tena fiantraikany any amin'ny fiainan'ny vahoaka andavanandro no asa ?
Mahatsikaiky fa dia samy mbola tsy maty am-bavany ihany na ny andaniny na ny ankilany, fa samy mandrirotra ny heviny ny amin'ireto mpitantana telo : ny atsy milaza fa ilaikely no tena lohany fa ny roa mpanaraka fotsiny noho izany dia nandresy ihany rizareo, ny ao ankilany indray milaza fa mitovy marindrano ny fahefan'izy telo lahy...
Raha ny fahitako azy manokana aloha, dia tapidalan-kaleha ireo mpanongam-panjakana matoa voatery nifanaraka tamin'ny ankolafy telo hafa, satria tsy nahazaka irery ny fitondrana intsony. Hay moa rizareo aza manjary niaky fa hay nisy krizy ihany teto amin'ny firenena ka tsy maintsy vahana amin'ny fifanarahana,fa tsy hoe nandroso haingana sy nandry fehizay rehefa voaongana ilay "mpanao jadona" !. Izao ny hena tokon'ny nohanin'olondrery manjary zaraina efatra, ny namana mpiara-mitolona voatery nailika lasa nitsangana ho fahavalo...
Hafa ihany ho'aho ny gasy e ! hafa amin'ny inona anefa ?
Samia ho ela velona indray hitsakotsako ny tohin'ny tantara !
Aleo aloha mandefitra ?
Tafaresaka tamin'olom-pantatra avy any Antsirabe aho tamin'ny herinandro teo, anisan'ny mpanaraka ny tolona teny amin'ny Tsangambato. Nanontaniako izy hoe mety ho tafita ve anefa izy ity, dia izao no navaliny hoe : "Ka ny olona ary rehefa izay no heviny, de tsaaary manaiky izy ...!"
Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia hita fa ny atody tsy afaka miady amin'ny vato, ka tsy aleo ve aloha maka saina kely toy izay ho fatifaty foana ? Tsy resy tsy akory ny olo-mangina. Hiady amin'adala ve tsy aleo manaja tena ?
Etsy andanin'izany koa, raha ny fianakaviam-be iraisam-pirenena no andrasana hiditra an-tsehatra hamaha ny olana, dia toa mahakely fanantenana ihany. Na dia teo aza ilay fivoriam-be tany Etiopia, dia toa malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ! Tadidio fa na dia nisy aza ilay fifanarahana tany Dakar tamin'ny 2002, dia tsy nanakana an'i Ravalomanana nanohy ny fandraisana ny fitondrana izany !
Tsy ho lava resaka aho androany satria hevitra efa novoizin'ny namana hafa ihany no nambarako, sa ahoana hoy ianao ?
"...tsy hery fa tahotra"
Izany no azo andraisana ny fihetsika fiarovan-tena rehetra nasehon'ireo mpitondra sandoka ankehitriny mba hahafahana mitombina elaela kokoa amin'ny seza nangalarina.
Andeha haka ohatra telo isika :
1 - Fampiasana hery famoretana :
Na dia niezaka mody tsy niraika tamin'ny fitokonana teny amin'ny kianjan'ny demokrasia aza rizareo tany am-boalohany dia tsy naharitra ny farany fa natahotra satria toa kibokiboin'ny rariny. Hany hery nampiasa miaramila hanaparitahana sy hanapenam-bava ny haino aman-jery. Toa nahomby ihany ny tetika mody nilazana fa ho avy i Ra8 sy ny fanendrena praiministra na dia tsangan'olona fotsiny aza aloha hatramin'izao. Dia tena nikorapaka tokoa ny anareo fa hatreny amin'ny fiantsonan'ny fiaramanidina avy aza no nametrahana tafondro. Koa na dia olona dondrona tsy mahay tetika miaramila aza ve tompoko dia tsy hahatakatra hoe raha hiverina marina ve izy dia ho eny Ivato, nefa ny tanintsika midadasika be sady voahodidina morontsiraka ...
2 -Ampamoaka :
Io koa dia mbola tetik'adin'ny kanosa ihany raha tena dinihana. Mbola tsy ampy foana angaha ny teny amin'ny 13 mai sy ny fanaratsiana rehetra natao hatrizay, fa dia mbola izany ihany no andaniana ora maromaro, fa tsy ny fandaharan'asa entina hanarenana ny firenena ? Ny mpanenjika tsy any aloha fa any aoriana mandrakariva hoy ny fitenenana. Rehefa tian'ny olona ny dadany na dia dradradradrainao ho ren-tany ren-danitra aza hoe mamo lava sy mijangajanga misy itiavany azy foana ao fa ianao no marary fo amin'izany eo !. Hoy ilay hira izay hoe "Ny tsy misy apoaka no manome tsiny lava, asaina manao tsy mahavita azy !" (hay moa rizareo manana basy apoaka azafady)
3- Saika hosakanana ny fahatongavan'i Pierrot
Dia mbola nikorapaka ihany koa rizareo rehefa nandre fa tongotra mby an-dakana ny fiveranan'ilay rangahy ity eto an-tanindrazana ! Saika hanakana ihany fa efa tara loatra. Aiza re izany e ! Te-hividy ny lohany nefa matahotra ny masony ? Hoy ilay mpampianatra anay teny Ankatso izay hoe : "Mbola aiiiza ! 'zany no aina ko ta-hanao !!!
Farany, nataoko ankamatatra kely ho antsika mahay fomba fiteny malagasy io lohateny io, ka dia "fenoy ny banga" ho anareo izay mahafantatra.
Resaky ny moana sy marenina...
Nanaitra ny mason'ny mpitazana rehetra ny fivoaran'ny toe-draharaha tampoka tamin'ny alatsinainy 20 avril teo iny, ary dia samy namoaka ny heviny daholo indray na ny malagasy na ny avy any ivelany. Ny mpampita vaovao iraisam-pirenena moa dia mahavariana fa rehefa tsy misy korontana sy maty izany dia tsy mahazo sehatra intsony ny malagasy.
Hita mivoitra avy amin'ireny fanehoan-kevitra rehetra ireny ary fa tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana ihany no ahafahana mivoaka amin'izao toe-draharaha sarotra izao,a ry koa ny fanaovana fifidiana faran'izay haingana.
Ireto avy amin'ny fikambanambe iraisam-pirenena moa toa manalasala be ihany, fa tsy fantatra mazava izay tena heviny fa toa tsy izay lazainy ampahibemaso no ataony any ambadika . Izay tokoa angamba ilay hoe diplomasia. Mody milaza fa tsy miditra mivantana amin'ny raharaha-tokantranon'ny Malagasy fa mamporisika amin'ny fifampidinihana fotsiny.
Toa mbola mifanalavitra toy ny atsimo sy avaratra aloha raha ny hevitry ny roa tonta hatramin'izao : ny andaniny milaza fa tsy manaiky raha tsy miverina aloha ny dadany, nefa milaza izy fa mbola tsy afaka hody ato ho ato akory . Ny ankilany indray mbola variana mametraka ny olony etsy sy eroa, manantena haka tsirony amin'ny fananana fahefana aloha, nefa teren-drizareo vahiny hatao alohan'ny faran'ny taona sahady ny fifidianana hiverenana amin'ny ara-dalàna.
Dia hifanaritaka toy adin-drenikisoa izy ity araka ny fitenenana fa efa miala any koa rizareo voailika rehetra teo aloha tamin'ny 2002, mba hitady ny anjara-masoandro ho azy koa !
Toy ny resaky ny moana sy marenina izany aloha hatramin'izao ka tsy mifankahazo fa samy miezaka manandratra ny azy.
Samia velon'aina indray hahita izay ho tohin'ny tantara !
Inona indray no hitranga ?
Alatsinainy maraina izao anoratako izao. Manomboka indray ity ny herinandro vaovao.
Dia manontany an'eritreritra hoe inona indray no hitranga ?
Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zava-nisy tamin'ny herinandro lasa iny, dia azo lazaina ho tsy nahomby aloha hatreto ny tetiky mpanohana ny "ara-dalàna", satria efa fantampantatra ihany fa tsy mbola ho tafaverina aloha i "Dada" raha izao toe-javatra misy izao. Etsy andaniny koa norobain'ny "miaramila" indray ny fitaovana fampitam-baovaon-drizareo. Tsy asiako resaka aloha ny momba an'ingahy Praiministra vao notendrena fa dia ho hita eo izay hafitsony...
Asa indray rizareo raha mbola hahita tetika vaovao tsy hahafaty ny hafanam-pon'ny mpitolona ?
Ny ao amin'ny HAT indray moa tsy iadian-kevitra loatra fa rizareo aloha no mitondra ny baolina hatramin'izao ka dia miezaka manao izay saim-pantany izy na ho any na tsy ho any !
Dia tena miaiky aloha aho fa dia misy tokoa ny "fanatique" amin'ny fadraisana anjara amin'ny tolona e ! na ny andaniny izany na ny ankilany.
Ny zavatra hita koa anefa etsy andanin'izany dia ahitana lafiny roa foana ny fihetsiketsehana politika toy izao : Misy ny fihetsiketsehana ankianja hamoriana vahoaka, dia tsy maintsy manao izay hanafanana izany ny mpitarika amin'ny fiteny mirehadrehaka sy mandevilevy ny mpifanandrina amin'ny tena. Fa ao ambadika koa dia misy hatrany ny fifampidinihana sy ny resaka an-dalantsara.
Dia ho hita eo indray ny tohin'ny tantara fa dia mirary herinandro feno fahazotoana ho antsika rehetra !
Masolavitra
Manakory aby !
Tsy andry ery izay hanokafana ny "ordinateur" raha vao tonga ato an-trano hanarahana ny fivoaran'ny toe-draharaha. Soa ihany aza aloha fa tsy mbola azo ijerena internet ny any am-piasana fa angamba dia ho lasa vita kitoatoa ny asa ka hanahirana.
Mihazakazaka tokoa ny fandrosoana, fa tsy mihetsika eto dia afaka mamaky, mihaino ary mahita ny zavamisy rehetra na ny tsara na ny ratsy eran'izao tontolo izao. Ary ny mandany fotoana betsaka indrindra aloha mazava loatra dia ny vaovaon'i Madagasikara. Dia lasa eo indraindray ny fihetseham-po toy ny hafaliana sy ny alahelo na hatezerana...Mba te-hamoaka hevitra koa na tsy dia mahay mamelabelatra loatra aza.
Ny olona rehetra dia samy manana ny firehan-keviny daholo, nefa tsy tokony atao ifandranitana akory izany, fa lalanam-piainana.
Mba jerijereo ny tananantsika...
Ity no lahatsoratra voalohany ato amin'ny blaogiko.
Tsy mbola hofafako aloha satria avy eto aho no miditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra
Misaotra ny mpikarakara ny blaogy.com sy ny serasera manome sehatra ahafahana manoratsoratra.
Tsy dia manatalenta amin'ny fanoratana fa manandrakandrana fotsiny.