Izaho koa mety hilatsaka !

Posted by mahefad on 15 Aprily, 2013 08:42

O ray olona ô ! Ho aiza marina isika ity ?! Mampanontany tena ny habetsak'ireto olona milaza hilatsaka ho filoham-pirenena malagasy !

Izay iray alehany :

- Na izy tena tia tanindrazana, ary manana fahalalana ampy sy tetik'asa ho entina mampandroso tokoa an'i Madagasikara, sady fantatry ny eran'ny nosy no manam-bola be hanaovana fampielezan-kevitra, 

- Na entin'ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena, atosiky ny namana te hiara-misôsy, dia mba manandrana sao sitrany ahay ! Satria iaraha-mahita fa any amin'ny tany mahantra dia anisan'ny fomba haingana indrindra hanangonan-karena ny fakana seza politika !

Hoy ilay fiteny taloha izay hoe "Tsy haiko aloha f'izaho vahiny!", fa dia aleo ny tantara no hitsara. Mbola manana fotoana kely handinihana sy hitadiavana mpanohana aho hatramin'ny 28 avril, fa aza gaga ianareo raha milatsaka eo koa ny tenanay !

"Ko iaho ve lehiroa ... ry zalahy irony aza letsy..."

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article