"...tsy hery fa tahotra"

Posted by mahefad on 28 Aprily, 2009 09:23

Izany no azo andraisana ny fihetsika fiarovan-tena rehetra nasehon'ireo mpitondra sandoka ankehitriny mba hahafahana mitombina elaela kokoa amin'ny seza nangalarina. 

Andeha haka ohatra telo isika :

1 - Fampiasana hery famoretana :
Na dia niezaka mody tsy niraika tamin'ny fitokonana teny amin'ny kianjan'ny demokrasia aza rizareo tany am-boalohany dia tsy naharitra ny farany fa natahotra satria toa kibokiboin'ny rariny.  Hany hery nampiasa miaramila hanaparitahana sy hanapenam-bava ny haino aman-jery. Toa nahomby ihany ny tetika mody nilazana fa ho avy i Ra8 sy ny fanendrena praiministra na dia tsangan'olona fotsiny aza aloha hatramin'izao. Dia tena nikorapaka tokoa ny anareo fa hatreny amin'ny fiantsonan'ny fiaramanidina avy aza no nametrahana tafondro. Koa na dia olona dondrona tsy mahay tetika miaramila aza ve tompoko dia tsy hahatakatra hoe raha hiverina marina ve izy dia ho eny Ivato, nefa ny tanintsika midadasika be sady voahodidina morontsiraka ... 

2 -Ampamoaka : 
Io koa dia mbola tetik'adin'ny kanosa ihany raha tena dinihana. Mbola tsy ampy foana angaha ny teny amin'ny 13 mai sy ny fanaratsiana rehetra natao hatrizay, fa dia mbola izany ihany no andaniana ora maromaro, fa tsy ny fandaharan'asa entina hanarenana ny firenena ? Ny mpanenjika tsy any aloha fa any aoriana mandrakariva hoy ny fitenenana. Rehefa tian'ny olona ny dadany na dia dradradradrainao ho ren-tany ren-danitra aza hoe mamo lava sy mijangajanga misy itiavany azy foana ao fa ianao no marary fo amin'izany eo !. Hoy ilay hira izay hoe "Ny tsy misy apoaka no manome tsiny lava, asaina manao tsy mahavita azy !" (hay moa rizareo manana basy apoaka azafady)

3- Saika hosakanana ny fahatongavan'i Pierrot
Dia mbola nikorapaka ihany koa rizareo rehefa nandre fa tongotra mby an-dakana ny fiveranan'ilay rangahy ity eto an-tanindrazana ! Saika hanakana ihany fa efa tara loatra.  Aiza re izany e ! Te-hividy ny lohany nefa matahotra ny masony ? Hoy ilay mpampianatra anay teny Ankatso izay hoe : "Mbola aiiiza ! 'zany no aina ko ta-hanao !!!

Farany, nataoko ankamatatra kely ho antsika mahay fomba fiteny malagasy io lohateny io, ka dia "fenoy ny banga" ho anareo izay mahafantatra.  

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.