Iza no nandresy ?
Dia vita iny izany ny fifanarahana tamin'ny fizaran-tseza tany Addis-Abbeba !
Samy poritra amin'izay naha-poritra avy azy tany avokoa moa ka dia nifanaiky hihorirandrirana ihany ny farany, na dia samy nandrahona tsy hilefitra aza teo aloha.
Hahazo toerana hihinanana daholo aloha izany ny mpanao politika satria toa misy an-jatony maromaro no hozaraina fa ny habehany no tsy mitovy ! Fa ny tena fiantraikany any amin'ny fiainan'ny vahoaka andavanandro no asa ?
Mahatsikaiky fa dia samy mbola tsy maty am-bavany ihany na ny andaniny na ny ankilany, fa samy mandrirotra ny heviny ny amin'ireto mpitantana telo : ny atsy milaza fa ilaikely no tena lohany fa ny roa mpanaraka fotsiny noho izany dia nandresy ihany rizareo, ny ao ankilany indray milaza fa mitovy marindrano ny fahefan'izy telo lahy...
Raha ny fahitako azy manokana aloha, dia tapidalan-kaleha ireo mpanongam-panjakana matoa voatery nifanaraka tamin'ny ankolafy telo hafa, satria tsy nahazaka irery ny fitondrana intsony. Hay moa rizareo aza manjary niaky fa hay nisy krizy ihany teto amin'ny firenena ka tsy maintsy vahana amin'ny fifanarahana,fa tsy hoe nandroso haingana sy nandry fehizay rehefa voaongana ilay "mpanao jadona" !. Izao ny hena tokon'ny nohanin'olondrery manjary zaraina efatra, ny namana mpiara-mitolona voatery nailika lasa nitsangana ho fahavalo...
Hafa ihany ho'aho ny gasy e ! hafa amin'ny inona anefa ?
Samia ho ela velona indray hitsakotsako ny tohin'ny tantara !
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Commentaires
Re: Iza no nandresy ?
kdaombaramita | 09/11/2009, 06:58
Re: Iza no nandresy ?
Rida Kely | 09/11/2009, 07:35
Mahefad > Marina tokoa izany. "Ny tondro tokana hono tsy mahazo hao". Enga anie mba hisy voka-tsoa ho antsika vahoaka ny fifanarahan'ireo ankolafy efatra.
Kdaomba > Dia ny frantsay foana kosa ve no tokony homentsika tsiny ?
Rahoviana re!
maeva74 | 09/11/2009, 07:45
Soa lavo ahay hamindra ary soa kenda ahay hitsako, Ny akanga maro tsy vakin'amboa e!
Mivavaka ho an'ilay Nosy malala
Re: Iza no nandresy ?
fahamarinana | 10/11/2009, 16:25
Tsy dia hoe ny gasy no hafa fa izay rehetra tsy manaraka ny ara-dalana na iza na iza !
Ny irariana dia hoe mba ho tafavoaka ny tunnel ,na inona olana satria efa mila ho difotra ny Firenena !Efa difotra tsotra izao aza ny marina ! (-:
Re: Iza no nandresy ?
Kdaombaramita | 10/11/2009, 18:47
Rida kely < dia mbola tsy arakao ihany ve ny tantara fa ny frantsay no ao ambadik'io alika kely io e ! mitady ny harenan'ny fireneko dia io alika kely io no ataony buldog aloha mandra-pa !
valiny
malagasycool | 12/11/2009, 22:03
Iza no nandresy ? Ny frantsay!


Faly mahafanatra anao e ! Dia samia ho velon'aina marina hahita ny tohiny fa ny voalavo anie tsy maty an-kibo e, ny olon-tokana tsy mba vahoaka ! Fa irina ny hilaminan'ny firenena mba ho velona am-piadanana ny malagasy fa tsy ho ao anaty fahantrana mandrakizay noho ireo frantsay ireo.