Aleo aloha mandefitra ?
Tafaresaka tamin'olom-pantatra avy any Antsirabe aho tamin'ny herinandro teo, anisan'ny mpanaraka ny tolona teny amin'ny Tsangambato. Nanontaniako izy hoe mety ho tafita ve anefa izy ity, dia izao no navaliny hoe : "Ka ny olona ary rehefa izay no heviny, de tsaaary manaiky izy ...!"
Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia hita fa ny atody tsy afaka miady amin'ny vato, ka tsy aleo ve aloha maka saina kely toy izay ho fatifaty foana ? Tsy resy tsy akory ny olo-mangina. Hiady amin'adala ve tsy aleo manaja tena ?
Etsy andanin'izany koa, raha ny fianakaviam-be iraisam-pirenena no andrasana hiditra an-tsehatra hamaha ny olana, dia toa mahakely fanantenana ihany. Na dia teo aza ilay fivoriam-be tany Etiopia, dia toa malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ! Tadidio fa na dia nisy aza ilay fifanarahana tany Dakar tamin'ny 2002, dia tsy nanakana an'i Ravalomanana nanohy ny fandraisana ny fitondrana izany !
Tsy ho lava resaka aho androany satria hevitra efa novoizin'ny namana hafa ihany no nambarako, sa ahoana hoy ianao ?
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Commentaires
Io no fahendrena
soanja | 06/05/2009, 19:33
Aleo velesina dia ny mbola mafana
Hanitra kely | 08/05/2009, 20:39
Tsy diso mihitsy ny hevitrareo ireo. Saingy Hena An-tanan-Tsaka (HAT)ny an-drajoelina sy ny tariny. Rah amitaza-potsiny isika hendry di amanova vahana azy ireo. Tsy adalana akory ny ain'ireo nahafoy ny ainy fa ny fitiavan-tanindrazna. Mba tsy ho very maina ny fibniavan'izy ireo aoka isika mahatsiaro ny tsy rariny hanohy ny hafana-pony.Miozongozona anie ny sezan'ireo e, ary tsy ho tafarina na oviana ny firenen-tsika fa ny harenan'izy ireo no mitombo @ halatra etsy sy eroa. Mampanahelo ihany koa ny namann-tsika naiditra am-ponja. Misy ihany ny fanatenana na dia kely aza satria ny gadra politika t@ andron'ny hatno novangiana diplomate Tsy mbola nisy toy izany. ka hoy aho hoe ry malagasy mahatsiaro ho voadoana @ loza mahazo ny firenentsika izao atambaro ny fo ary aza adino ny mivavaka. na ho ela na ho haingana valian'A/tra amin'izy ireo ny nataony. Tongava rahampitso eny @ Magro Ankorondrano hampiseho ny tanjaka isika fa tsy vita mora izao.
Samy marina !
ML | 09/05/2009, 02:27
Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha, ka aleo ny sasany izay manahy ny amin'ny ainy aloha hisintaka kely, izay mazoto dia mankahery anareo ! Tandremo fotsiny tsy ny vy mafana no voavely fa ny tananareo ihany !


Ilaina ny fakana aina, mandinika izay vao miatrika indray. Raha mahalala an'io ny politisianina gasy dia tsy betsaka toy izao ny namoy ny ainy ny Malagasy. Mahaontsa ny zavamisy.